Olan`ny fananantany

Mbolatiana RABEMANANJARA 2016-09-30 11:43:00 ADN

Miantso ny filoha handray andraikitra i Edgard Razafindravahy Maro ny fitarainan’ny mponina mikasika ny ady tany nandritry ny fitsidina nataon’ny filohan’ny ADN Edgard Razafindravahy teny amin’ny kaominina Analavory faritr’Itasy, hita ho kivy sy ketraka ireo mponina satria efa mandeha ny feo fa hisy tera-tany vahiny hitrandraka ihany koa eny amin’ny tanin’izy ireo.Tsy hita soritra ny fanampiana hataon’ireo mpitondrafanjakana manolona an’izany fahorina mahazo ny vahoaka izany. Eo anatrehan’izany dia niantso ny mba hijeren’ny mpitondra fanjakana ireo vahoaka madinika ao amin’ny fokontany maro ao amin’ny kaominin’Analavory ireo ny filohan’ny Antoko sy Dinan’ny Nosy.

Adn

Articles Similaires