Kaominina Antananarivo Renivohitra

Mbolatiana RABEMANANJARA 2016-10-06 10:48:00 Politiques

Misalovana andraikitra i Ravalomanana Marc.Tsy takona hafenina intsony fa Marc Ravalomanana no mitantana ny kaominana Antananarivo. Nitety fokontany maro teto andrenivohitra izy mivady omaly, ary nanome toromarika mikasika ny fanadiovana ny faritra maro eto Antananarivo izy. Tsotra ny tanjon’i Marc Ravalomanana dia ny hanao an’ Antananarivo ho tohatra ho fiakarana ho any amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny taona 2018. Ity farany izay mbola tsy fantatra na ho afaka hilatsaka na tsia noho ny fanamelohana mahazo azy noho ny raharaha vono olona tamin’ny 7 febroary 2009.

Actualite

Articles Similaires