Fitrandrahana volamena ao Soamahamanina

Mbolatiana RABEMANANJARA 2016-10-07 12:12:00 Politiques

Vosakana tsy hiditra ireo mpanao gazety maro Mpanao gazety vitsy tamin’ireo maro be tonga tany Soamahamanina no afaka ijery ifotony ny toeram-pitrandrahan’ireo Sinoa,omaly. Voafetra ny toerana azon’izy ireo hotsidiana ary tsy navela haka sary ihany koa izy ireo. Raha ny zavatra hita teny an-toerana dia potika ny tontolo iainana : nolavan’izy ireo hadivory mitomandavana, 3 metatra ny halaliny, manodidina ny toerana nipetrahan’izy ireo izay,izay mirefy 7 ha eo ho eo.

Actualite

Articles Similaires