Fahatapan-jiro sy rano

Mbolatiana RABEMANANJARA 2016-10-13 09:50:00 Social

Ataon’ny orinasa jirama sy fanjakana sorina ny vahoaka Tapaka nandritry ny ora iray sy sasany teo ho eo ny jiro omaly,rehefa niverina nirehitra anefa dia lasa ambany dia ambany ny tanjany ka tena nanimba ireo fitaovana maro mandeha amin’ny herinaratra. Tsy vitan’ny tapaka fotsiny ny jiro fa mbola tapaka ihany koa ny rano teny Itaosy. Tsy ny mponina eto Antananarivo ihany no mikaikaika amin’ny fahatapan-jiro fa nahitana izany na dia amin’ny faritany toy ny tany Sambava. Toa lasa sorona ny vahoaka satria fanjakana no tsy mahefa trosa amin’ny vidin-gazoala kanefa ny vahoaka mahaloa ny vidin-jiro sy rano no iharan’ny sazy amin’ny haizina sy ny tsy fisian-drano, etsy andaniny, ny vidin-jiro sy rano anefa midangana dia midangana.

Actualite

Articles Similaires