saran-dalana

seheno 2017-01-04 16:43:00 Social

Ny fivoriam-be rahampitso no hanapaka raha hampiakatra ny saran-dalana ho 500 ariary ihany ireo mpitatitra na tsia manoloana ny famerana ny vidin-tsolika izay navoakan’ny fitondram-panjakana. Raha ny tokony ho izy dia ilaina ny fampiakarana satria tsy azo ihodivirana intsony izany. Tamin’iny taon-dasa iny mantsy raha saika hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra dia nosakanan’ny fanjakana izany ary nambara fa hisy ny compensation omena azy ireo. Efa miova anefa ny taona nanao resabe tamin’izy ireo ny mpitondra. Etsy andaniny nilaza ny mpamily taksiborosy iray fa mitombo ny fandaniana amin’izao fotoana izao. ITW : BAYAR – MPAMILY BESADY 16 (00’46s 00’52s talo…zan zw e 01’01s 00’33s las miakel…vidna gasoil 00’46s ) Ny OMH no nametra ny vidin-tsolika ary izy ireo no nanolotra izany ny governemanta. Tsy nanao afatsy ny nampihatra izay vidin- tsolika izay ireo toby mpaninjara. Vidin-tolika izay efa midangana ho an’ireo mpitatitra. Na manambana ny hampiakatra saran-dalana aza noho izany ny mpitatitra eto an-drenivohitra dia mbola miandry fandaminana ny zotra nasionaly na dia mafy ho azy ireo aza ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny zotra nasionaly mantsy efa nitazona ny saran-dalana hatramin’ny taona 2015 na dia natetika niakatra aza ny saran-dalana. Raha ny nambaran’ireo mpandraharaha ara-pitaterana dia miandry ny fananganana ny toby fiantsonana vaovao ho azy ireo ny zotra nasionaly vao hiroso amin’ny fampiharana ny saran-dalana tokana. ITW : RAKOTOMAVO PHILIPPE – ZOTRA NASIONALY 14 00’28s(za wana sy ny…iwa r ts votananay 00’45s 15 00’04 fa an@zan...billeterie unik 00’11s) Mila mandray andraikitra ny fitondram-panjakana manoloana izao zava-msy izao. Tsy ho zakan’ny vahoaka mantsy raha toa ka tsy maintsy hiroso amn’ny fampiakarana ny saran-dalana ny mpitatitra.

Actualite

Articles Similaires